Ray o, tsy mendrika aho
Efa nanao izay ratsy toko
Nisintaka nanalavitra anao
Nanaraka ny zavapoana tsy nahaso
Mifona aho Tompo ô
Mifona aminao aho
Mba amindrao fo Tompo o
Miangavy e mitalaho
Vonjeo aho Tompo ô
Diovy amin'ny ranao
Vojeo aho Tompo ô
Mba diovy e mba sasao
Hody aho iverina aminao
Hianao no raiko tsara indrindra
Ilay be fitiavana ,tsy mba mandao
Tsy atakalo, tsy hay afindra
Tafio ny herinao aho
mba ho velona indray
Tariho aho, anjakao
Hoany amin'ny fiainana mandrakizay
音楽のスタイル
Ambient, Chillout, Relaxing, Piano, Flute, Harp, Very Slow (<66 BPM), Sad, Sentimental