AI 노래 생성기 가사 생성기 가격 내 노래

Tsy maintsy tafita

Song generated By ✨Song.do

Song Cover
v1

@ Arifenitra Henintsoa Randriamahefa

2026-06-29 02:18:46

가사

Mmmmmhhhh
Anio dia miezaka aho
Iala amin'ireo fahazaran_dratsy
Tsy maintsy miezaka mafy satria te ho tafita
Tsy mahazo kivy tsy mahazo reraka fa
Ny toe_tsaina sy ny fanahy no ampiakarina
Araka ny nolazain'ireo ray aman_dreny
Mila mahery tsy milavo lefona
Fa ny tanjona dia ny tsy maintsy ho tafita
Maniry ny mba hanana izany fahasambarana izany
Inoako fa ho tanteraka ilay nofiko
Ny hoe tsy maintsy tafita
Izany no mahatonga aho mitraka foana
Na maro aza ireo olana mandalo
Ezahako ho tazomiko ho ahy irery
Satria tsy izay mitsika amin'ny tena dia
Ho faly avokoa
Ny sasany aza mahavita momosavy
Mamono mahafaty
Izay no mahatonga aho mampiakatra ny tontolon'ny fanahy hoe
Misaotra anao aho ilay mpahary
Manome hery sy fahazavana
Amin'ny lalana rehetra izay alehako
Maro koa ireo fahavalo
Ny sakaiza mamadika
Kanefa tsy maintsy miroso atrany atrany
Satria ny tanjona dia tsy maintsy ho tafita mmmhhh tsy maintsy tafita
Maro koa ny sedra nolalovana
Ao ny ratsy sy ny mangidy
Nanome ratra nampisy ny olatra
Tsy nataoko nahakivy fa nataoko anatra
Dia isaorako ilay zanahary nanome fahazavana ho ahy
Fa tonga ilay zava-tsoa sy ny mamy
Niezaka dia tsy maintsy tafita tamin'ny ady mafy
Mpandresy aho ary mandresy
Ny tanjona napetraka dia ny hoe
Tsy maintsy tafita mmmmhhh
Tsy maintsy tafita mmmmhhh

음악 스타일

Afro gospel, Afro pop, Male Vocals, Female Vocals