AI Song Generator Lyrics Generator Pricing My Songs

Hisaotra an'i Jehovah aho

Song generated By ✨Song.do

Song Cover
v1

@ Serge RALAIARISON

2026-06-06 04:07:19

Lyrics

Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho
Ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy
Jehovah no reharehan'ny fanahiko
Hahare izany ny mpandefitra ka ho faly
Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko
Ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika

Mitoby manodidina izay matahotra an'i Jehovah
Ka mamonjy azy ny Anjeliny
Andramo ka zahao fa tsara Izy
Sambatra izay olona mialoka aminy
Matahora an'i Jehovah hianareo olony Masina
Fa tsy hanan-java mahory izay matahotra Azy

Mitady an'i Jehovah aho dia mamaly Izy
Ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra
Mijery Azy ireo ka miramirana
Sady tsy mangaihay ny tavany
Ity olo-mahantra ity miantso dia nihaino Jehovah
Ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra

Mitoby manodidina izay matahotra an'i Jehovah
Ka mamonjy azy ny Anjeliny
Andramo ka zahao fa tsara Izy
Sambatra izay olona mialoka aminy
Matahora an'i Jehovah hianareo olony Masina
Fa tsy hanan-java mahory izay matahotra Azy
Matahora an'i Jehovah hianareo olony Masina
Fa tsy hanan-java mahory izay matahotra Azy.

Style of Music

Drum and Bass, Gospel, Happy, Bass, Drums, Harp, Organ, Piano, Synth, Slow (66-76 BPM), Female Vocals, Chanting